Farihin'ILEPO



ILEPO
Isan’ireo Farihy voajanahary hita ao amin’ny faritra Itasy ny » farihin’Ilepo » .
Manodinana ny 100km manaraka ny lalam-pirenena RN1 sy RN43 miala ny  renivohitra  Madagasikara  no misy azy .Ary kaominina Ampefy fokotany  Ankorondrano distirika ny Soavinandriana.
Mampiavaka azy ny fananany ny fahadiovany sy ny hakantony ary hita fa izy no farihy madio sy tsara indrindra  eto amin’ny faritra Itasy. Io farihy io mantsy dia manana loko miavaka amin’ny rano rehetra.
Amin’ny maha farihy azy izay dia manana ny kaza-trondro mampiavaka azy izy  « tylapia pollining ».
Saika hita ao amin’ny farihin’Ilepo ao avokoa ny karaza-trondro rehtra ary miavaka amin’ireo vokatra amin’ny farihy hafa ny trondro ao.
Tsy amin’ny maha farihy azy ihany no tena mahafinaritra fa ny zava-maniry manodidina azy koa toy ny ala,rian-drano mijidina.
Manana ny fadiny izy io dia tsy azo andehanan’ny omby mena manamorona io farihy io sy ny tsy fahafahan’ny vahiny milomano ao raha tsy mahazo alalana avy amin’ny Tangalamena.


Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

chute de la lilly

Lac ITASY