Lac ITASY

Lac Itasy
Ny farihin'itasy dia farihy fahatelo lehibe indrindra , io farihy io koa dia ivon'i Madagasikara. Manana ny velarantany 45km2. Niforona tamin'ny 8000 taona lasa noho ny fipoahan'ny volokano.
Ny farihin'itasy raha ara-tantara dia teti-panoron'i Madagasikara ary izay maha teti-panorona azy izay indrindra no maha Ivon'i Madagasikara azy .
Noho io farihy io nampitondrana ny anaran'ny farihin'Itasy.
Malaza amin'ny famokarana trondro io farihy io ka isan'izany ny trondro Baraoa eo ihany koa ny fanany ireo trondro vaventy toy ny Carpe ary ny trondron'Itasy no anisan'ny betsaka mpanjifa raha eny amin'ny tsena.
Mitondra fandrosoana ho an'ny faritra eo amin'ny sehatry ny fizahan-tany ihany koa ny fananany io farihy io.
Maro ny hetsika azo atao ao amin'io farihy io toy ny fandeanana lakana sy "vedette" ary ny fitsangatsanganana manamorona ny farihy.

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

chute de la lilly

Farihin'ILEPO