chute de la lilly



CHUTE DE LA LILY
Ny riandranon’i Lily dia 100km miala an’Antananarivo  no misy azy.Ao anatin’ny faritra Itasy ,kominina Ampefy,mihazo ny lalam-pirenana fah 43 .
Ny riandrano dia misy karazany roa ka ny riandrano voalohany no mitondra ny anarany hoe « chute de la Lily »noho tao no nisehon’ny tantara.
Antafofo no anarana niantsoana azy fa nohon’ny nahafatesan’ny zanaka vazaha nipetraka tao antsoina hoe LILY no nahatonga ny anarana ho chute de la Lily.
Mirefy 23m ny haavony,renirano avy ao amin’ny farihin’ny Kavita no mivarina mandeha makany amin’ny Chute de la Lily.
Tsy izany ihany anefa fa maro ireo karazana zavatra hita ao satria efa misy ireo trano andraisam-bahiny sy trano fisakafohanana ho an’ireo olona sendra hariva ka tsy tafody dia afaka mijanona.Eo ihany koa ireo sary sikotra vita amin’alalan’ny vato tay korioka amin’ny karazany izay tianao.
Misy ihany koa ny sara-pizahana ao
-MALAGASY :500 ar
-VAHINY :2000ar
Io riandrano io dia fata-daza ary isan’ny hamantaran’ny olona ny aty amin’ny fariitra Itasy.



Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Farihin'ILEPO

Lac ITASY