Articles

Lac ITASY

Image
Lac Itasy Ny farihin'itasy dia farihy fahatelo lehibe indrindra , io farihy io koa dia ivon'i Madagasikara. Manana ny velarantany 45km2. Niforona tamin'ny 8000 taona lasa noho ny fipoahan'ny volokano. Ny farihin'itasy raha ara-tantara dia teti-panoron'i Madagasikara ary izay maha teti-panorona azy izay indrindra no maha Ivon'i Madagasikara azy . Noho io farihy io nampitondrana ny anaran'ny farihin'Itasy. Malaza amin'ny famokarana trondro io farihy io ka isan'izany ny trondro Baraoa eo ihany koa ny fanany ireo trondro vaventy toy ny Carpe ary ny trondron'Itasy no anisan'ny betsaka mpanjifa raha eny amin'ny tsena. Mitondra fandrosoana ho an'ny faritra eo amin'ny sehatry ny fizahan-tany ihany koa ny fananany io farihy io. Maro ny hetsika azo atao ao amin'io farihy io toy ny fandeanana lakana sy "vedette" ary ny fitsangatsanganana manamorona ny farihy.

Farihin'ny KAZANGA

Image
Farihin'i Kazanga Ny farihin'i Kazanga dia farihy voajanahary,2km miakandrefana miala ny Soavinandriana renivohitra ary manaraka ny route interprovincial 113bis. Manodidina ny 44ha ny velarany ary 6km ny halaliny.Misy tanana manamorona azy. Ny mampiavaka azy dia ny fisian'ireo nosy kely maro be eo amboniny izay mikisaka manaraka ny tso-drivotra. Ahitana karazany maro ny fialamboly azo atao ao toy ny fanjonoana, filomanosana, fitengenana zahatra, ary ny filalaovana eo ambonin'ny nosy. Ny farihy dia nampitondraina ny anaran'ny mpanjaka izay nitondra tao antsoina hoe Kaza izay navadiky ny lakana ka maty tao. Noho izany fady ny miteny sy mitondra lakana ao amin'ny farihy.

Farihin'ILEPO

Image
ILEPO Isan’ireo Farihy voajanahary hita ao amin’ny faritra Itasy ny » farihin’Ilepo » . Manodinana ny 100km manaraka ny lalam-pirenena RN1 sy RN43 miala ny   renivohitra   Madagasikara   no misy azy .Ary kaominina Ampefy fokotany   Ankorondrano distirika ny Soavinandriana. Mampiavaka azy ny fananany ny fahadiovany sy ny hakantony ary hita fa izy no farihy madio sy tsara indrindra   eto amin’ny faritra Itasy. Io farihy io mantsy dia manana loko miavaka amin’ny rano rehetra. Amin’ny maha farihy azy izay dia manana ny kaza-trondro mampiavaka azy izy   « tylapia pollining ». Saika hita ao amin’ny farihin’Ilepo ao avokoa ny karaza-trondro rehtra ary miavaka amin’ireo vokatra amin’ny farihy hafa ny trondro ao. Tsy amin’ny maha farihy azy ihany no tena mahafinaritra fa ny zava-maniry manodidina azy koa toy ny ala,rian-drano mijidina. Manana ny fadiny izy io dia tsy azo andehanan’ny omby mena manamorona io farihy i...

chute de la lilly

Image
CHUTE DE LA LILY Ny riandranon’i Lily dia 100km miala an’Antananarivo   no misy azy.Ao anatin’ny faritra Itasy ,kominina Ampefy,mihazo ny lalam-pirenana fah 43 . Ny riandrano dia misy karazany roa ka ny riandrano voalohany no mitondra ny anarany hoe « chute de la Lily »noho tao no nisehon’ny tantara. Antafofo no anarana niantsoana azy fa nohon’ny nahafatesan’ny zanaka vazaha nipetraka tao antsoina hoe LILY no nahatonga ny anarana ho chute de la Lily. Mirefy 23m ny haavony,renirano avy ao amin’ny farihin’ny Kavita no mivarina mandeha makany amin’ny Chute de la Lily. Tsy izany ihany anefa fa maro ireo karazana zavatra hita ao satria efa misy ireo trano andraisam-bahiny sy trano fisakafohanana ho an’ireo olona sendra hariva ka tsy tafody dia afaka mijanona.Eo ihany koa ireo sary sikotra vita amin’alalan’ny vato tay korioka amin’ny karazany izay tianao. Misy ihany koa ny sara-pizahana ao -MALAGASY :500 ar -VAHINY :2000ar Io riandr...