Farihin'ILEPO
ILEPO
Isan’ireo Farihy voajanahary hita ao amin’ny faritra Itasy
ny » farihin’Ilepo » .
Manodinana ny 100km manaraka ny lalam-pirenena RN1 sy RN43
miala ny renivohitra Madagasikara
no misy azy .Ary kaominina Ampefy fokotany Ankorondrano distirika ny Soavinandriana.
Mampiavaka azy ny fananany ny fahadiovany sy ny hakantony
ary hita fa izy no farihy madio sy tsara indrindra eto amin’ny faritra Itasy. Io farihy io
mantsy dia manana loko miavaka amin’ny rano rehetra.
Amin’ny maha farihy azy izay dia manana ny kaza-trondro
mampiavaka azy izy « tylapia
pollining ».
Saika hita ao amin’ny farihin’Ilepo ao avokoa ny
karaza-trondro rehtra ary miavaka amin’ireo vokatra amin’ny farihy hafa ny
trondro ao.
Tsy amin’ny maha farihy azy ihany no tena mahafinaritra fa
ny zava-maniry manodidina azy koa toy ny ala,rian-drano mijidina.
Manana ny fadiny izy io dia tsy azo andehanan’ny omby mena
manamorona io farihy io sy ny tsy fahafahan’ny vahiny milomano ao raha tsy
mahazo alalana avy amin’ny Tangalamena.

Commentaires
Enregistrer un commentaire