Farihin'ny KAZANGA

Farihin'i Kazanga
Ny farihin'i Kazanga dia farihy voajanahary,2km miakandrefana miala ny Soavinandriana renivohitra ary manaraka ny route interprovincial 113bis.
Manodidina ny 44ha ny velarany ary 6km ny halaliny.Misy tanana manamorona azy.
Ny mampiavaka azy dia ny fisian'ireo nosy kely maro be eo amboniny izay mikisaka manaraka ny tso-drivotra.
Ahitana karazany maro ny fialamboly azo atao ao toy ny fanjonoana, filomanosana, fitengenana zahatra, ary ny filalaovana eo ambonin'ny nosy.
Ny farihy dia nampitondraina ny anaran'ny mpanjaka izay nitondra tao antsoina hoe Kaza izay navadiky ny lakana ka maty tao. Noho izany fady ny miteny sy mitondra lakana ao amin'ny farihy.

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

chute de la lilly

Farihin'ILEPO

Lac ITASY